TEXTES PREFEREES
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
"NAMBOLENA KA NANIRY"
Nambolena ka naniry,
voakolokolo ka nitsiry
ireto zanaka amam- para
solofonao ry Madagasikara.
Lehibe ka hanolo- tena
hamaly valim-babena
ka hanao ny soa sy tsara
ho lazanao ry Madagasikara.
Ianao no niandohana,
ka tomady zato nofo,
aminao no hiafarana,
sy nandevenana ny tavoniko.
Ka na zovy, ny soa sy tsara
bikàna ho mendrika toa fiara,
ianao tsy takalozako,
fa nosindrazako ho ahy tsy hisolo.
TARIKA VOAKINININA 2007
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
"SAROTRA AMIKO"
Lavitry ny fo, izao ianao,
vao mifikitra ao an- doha, ny anaranao,
tsaroako ilay andro iray,
nozaraiko taminao hatrizay.
Rahoviana indray isika no hifankatia,
ho tafaraka sy hiara dia,
jereo, zato foko maratra,
mahatsiaro anao, adin- tsaina tsy laitra.
Izaho matoky, fa fitia hanjaka,
tsy hisy hanakana, tsy hisy hanapaka,
olon' ory, tsy natao ho irery,
miandry anao aho, tsy mananihiany.
REF : Raha niezaka hanadino
foko saina mbola mino,
fa ianao irery ihany,
no mamiko eto an- tany
eto an- tany.
A/C : GASY - RIJA [G.R] - Aogositra 2007
Lead vocal : GASY - RIJA[G.R] / HASINA
Guitare : Tiavina
Arrangeur : Niaina Yvon RANDRIAMIHAJAZAFY
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
Un petit mot sur cette chanson. Elle parle de l' ORIGINALITE de MADAGASCAR notre pays...
RINAH dit MAMY, le leader du groupe AKIM' JOLAM était un ami, très talentueux dans le monde musical underground... GASY RIJA,responsable communication du groupe GASY WAVE, lui a proposé une COLLABORATION, et "MANGIGINA" était le fruit de leur mini- projet.
GASY WAVE ne se limite pas qu' à ses propres créations, mais ils encadrent aussi les jeunes "TALENTS MALGACHES"...
Ainsi, nous vous invitons à apprécier la chanson...
MANGIGINA ...
Mangigina e,
mangigina ety aminay,
mahavariana e,
mahavariana no sady milay,
ireo vahiny e,
izay tonga aty, dia manaiky anay
ts'isy tsiny e
Gasikara malalanay.
Analamanga e,
Analamanga no misy anay,
tanana manja e,
tanana manja fehizay,
jiaby jiaby e,
jiaby jiaby no monina ao,
mba miandrandra e,
miandrandra fianam- baovao.
Mamy / AKIM' JOLAM Aogositra - 2006
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
"FANAHY NO MAHA OLONA"...
GASY-RIJA APRILY 2007
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
"SAFIDIN' NY FOKO"
Indry no safidin' ny foko,
namiratra tao anatin' ny maro,
fiainana izay tsaroako,
fitiavana tsy azo afangaro,
omaly mandraka androany,
mbola niaretanao tao ihany,
n' ino n' inona mety ho hadisoako,
lefitrao ka dia tsy foiko ianao.
Indry irery no nahazaka,
indry irery no nahatanty,
raiso izao fitiavako izao,
io no tsara indrindra atolotro anao.
Indry irery no nahandry,
indry irery no namonjy ahy,
raha resy aho indraindray,
soa fa teo ilay fitiavanao.
HAINGO
NOV 2006
Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
1* Une île baignée, dans l’ océan indien,
une île au socle cristallin,
préservant les merveilles de la nature,
de toute son envergure.
2¤ C'est une île paradisiaque,
ornée par ses eaux, ses lacs,
de grande force, soufflent deux vents,
alizé et mousson.
3¤ C'est aussi une île de richesse,
où les gens sont plein de sagesse,
tu ne te rends compte de rien,
mais elle te manque, quand tu en es loin.
4¤ Une île adorée par les touristes,
des souvenirs plein les pistes,
ce n' est pas qu’ une belle île,
on y trouve aussi la vanille.
GASY RIJA 2009