A propos de ce blog


Nom du blog :
musicresearchgasywavegroup
Description du blog :
Venez découvrir les artistes MALGACHES...
Catégorie :
Blog Musique
Date de création :
04.05.2006
Dernière mise à jour :
30.03.2009

RSS

Rubriques

>> Toutes les rubriques <<
· VAZO GASY AN TSARY... (4)
· Artistes malgaches (37)
· DIVERS (5)
· TEXTES PREFEREES (46)
· GASY WAVE SY NY TARINY (6)
· LOLO SY NY TARINY GROUPE LEGENDAIRE (14)
· ANDRY RAJOELINA PROJECT (24)
· AAA MOZIKA (2)
· Tanora Gasy Vonona ... (4)
· GUITARISTES MALGACHES (13)

Navigation

Accueil
Gérer mon blog
Créer un blog
Livre d'or musicresearchgasywavegroup
Contactez-moi !
Faites passer mon Blog !

Articles les plus lus

· REVY VIDEO GASY
· VIDEOS GASY... REVEO MILAY FOTSINY
· KARAOKE
· REVY VIDEO GASY Bonbo gasy...
· GASY VAOVAO

· Ny TENDRY GASY Gitara tena m'lay be
· AndryTGV en ACTION à Madagascar /CRISE 2009
· rija gasy
· BOdo sy POOPY
· HARENA TV EVANGELIQUE MADA
· La musique malgache actuelle vue par Mimi du Fakir
· DADAH RABEL : LEADER DU GROUPE MAHALEO
· aina quach
· AINA QUACH : tovovavy tena manga feo
· tananarive madagascar

Voir plus 

Statistiques 341 articles


Derniers commentaires

gasy milely
Par Anonyme, le 14.01.2025

fecebook
Par Anonyme, le 05.01.2025

hijery film xx
Par Anonyme, le 10.12.2024

milay
Par Anonyme, le 08.12.2024

tsis sary tson v le tsikilo gasy sy ny karazany ren
Par Anonyme, le 07.12.2024

Voir plus

RSS
Recherche

ERIC MANANA ROOTS BAND

ERIC MANANA ROOTS BAND

Publié à 12:00 par musicresearchgasywavegroup
ERIC MANANA ROOTS BAND
ERIC MANANA ROOTS BAND


Teraka ny 1 Janoary 1959 tany Fianarantsoa i Rafilipomanana Erick Harisolofo izay fantatry ny maro amin’ny anarana-tsehatra nohafohezina hoe Erick Manana. Tovolahy efa nahafolaka gitara izy nony nifindra-monina tany Antananarivo. Telo lahy ry zareo mpiaradia nanangana ny tarika « Lôlô sy ny Tariny » tany amin’ny taona 1976 tany ho any dia i Lôlô [Rakotomanga Angélo] sy i Bebey [Rakotomanga Mathurin] ary i Erick.

Mambran’ny « Lôlô sy ny Tariny » i Erick no nihaona voalohany tamin’i Graeme Allwright, Neo-Zealandey mihira amin’ny tena Frantsay, izay nanatanteraka fampisehoana tany Antananarivo tamin’ny taona 1979.

Ny famelombelomana indray ny hasin’ny hiran’i Razilinah, isan’ireo ngezalahy mpanakanto Malagasy namorona ny « tendry gasy » tamin’ny gitara, no nandrenesana ny anaran’i Erick voalohany izay mbola Erick Razilinah fotsiny aloha, vao nahazaka tena sy nivadika ho Erick Manana taty aoriana.

Hanohy fianarana any Bordeaux, Frantsa no nandaozan’i Erick an’i Madagasikara ary rehefa nandray anjara tamin’ny fampisehoana maro samihafa izy dia nofidin’i Graeme Allwright ho mpitendry gitara raikitra mpiaradia aminy nanomboka tamin’ny taona 1990.

Maro ireo mpanakanto hafa niarahany niasa [Parson, Tselonina, Mahaleo, D’gary, Salala, Régis Gizavo, Jaojoby, Mily Clément, sns …], sangany amin’ireny ny namoronany ny tarika « feo gasy » niaraka tamin’i Rakoto Frah sy Fafa-n’i Mahaleo.

Resaka raki-kira indray, ankoatry ny raki-kira izay niombonany tamin’ny tarika Lôlô natonta kapila tamin’ny taona 1981, dia tamin’ny taona 1993 izy dia namoaka raki-kira « Bonjour Madame la guitare » ho fahatsiarovana an-dRazilinah. Avy eo izy namoaka ny « Barikavily ». Ary tamin’ny taona 1997 izay nivoahan’ny raki-kirany « vakoka » sy nandrombahany ny fankasitrahana « Grand Prix du Disque de l’Académie Charles Cros » no tena nampalaza azy ivelan’ny mpihaino Malagasy. Manaraka nisesy ireto raki-kira « Taniko », « Maty ilay masoandro », « Voninkazo adalada » ireto ary ny raki-kira nivoaka farany tamin’ny taon-dasa [2006] dia ny « Best Of Erick Manana ».

Mpanakanto roa efa nifankalala hatramin’ny 28 taona lasa izany no indray hiara-hanatanteraka rindra-kira any Neuchâtel [Suisse]. I Eric Manana omban’ny tarika « Roots » mpiara-dia aminy sy i Graeme Allwright, ny Zoma 16 Novambra 2007, manomboka amin’ny 21:00 ora alina ao amin’ny Espace Perrier de Marin, any Neuchâtel [Espace Perrier de Marin, Rue Charles Perrier 2, 2074 Marin - Epagnier, Neuchâtel, Suisse]. Misokatra dieny amin’ny 18:30 ny varavarana hoan’ireo izay hanatrika ny sakafo Malagasy.

Izany dia karakarain’ny Association Mamisoa [Solidarité Madagascar, Neuchâtel] ho famatsiana ireo tetik’asa tohanany any Madagasikara sy ny fikambanana Kiwanis International, serving the Children of the World™

Tahiry nalain' i G.R teto ambany teto :

http://tomavana.wordpress.com/2007/11/09/071116-erick-manana-roots-band-sy-graeme-allwright-neuchatel-ch/

http://www.sobika.com/v2/soirees/pub_soirees/2007/pub_erickmanana_suisse.html

http://www.lexpress.ch/journal/culture/art_276280.php