Nom du blog :
musicresearchgasywavegroup
Description du blog :
Venez découvrir les artistes MALGACHES...
Catégorie :
Blog Musique
Date de création :
04.05.2006
Dernière mise à jour :
30.03.2009
>> Toutes les rubriques <<
· VAZO GASY AN TSARY... (4)
· Artistes malgaches (37)
· DIVERS (5)
· TEXTES PREFEREES (46)
· GASY WAVE SY NY TARINY (6)
· LOLO SY NY TARINY GROUPE LEGENDAIRE (14)
· ANDRY RAJOELINA PROJECT (24)
· AAA MOZIKA (2)
· Tanora Gasy Vonona ... (4)
· GUITARISTES MALGACHES (13)
Accueil
Gérer mon blog
Créer un blog
Livre d'or musicresearchgasywavegroup
Contactez-moi !
Faites passer mon Blog !
· REVY VIDEO GASY
· VIDEOS GASY... REVEO MILAY FOTSINY
· KARAOKE
· REVY VIDEO GASY Bonbo gasy...
· GASY VAOVAO
· Ny TENDRY GASY Gitara tena m'lay be
· AndryTGV en ACTION à Madagascar /CRISE 2009
· rija gasy
· BOdo sy POOPY
· HARENA TV EVANGELIQUE MADA
· La musique malgache actuelle vue par Mimi du Fakir
· DADAH RABEL : LEADER DU GROUPE MAHALEO
· aina quach
· AINA QUACH : tovovavy tena manga feo
· tananarive madagascar
gasy milely
Par Anonyme, le 14.01.2025
fecebook
Par Anonyme, le 05.01.2025
hijery film xx
Par Anonyme, le 10.12.2024
milay
Par Anonyme, le 08.12.2024
tsis sary tson v le tsikilo gasy sy ny karazany ren
Par Anonyme, le 07.12.2024
Andry n'est pas digne de porter l'espoir des malgaches tant qu'il sert encore les intérets de l'ancienne puissance coloniale.vérifier et recouper les informations et ses actions et vous constaterez de vous-meme.
http://null.centerblog.net
Na inona filaza na inona ambara, dia izao no teboka vitsy tiana hambara:
1. Fahasahiana lehibe ny fijoroana ataon'i Andry amin izao fotoana izao. Tsy mahatsara ny fiainan-tokantrano 'firenena malagasy' ny fananany ray tsy miraharaha ny zanany sy ny vady aman-janany. Aiza ve ka ny vola dia lanilaniany fotsiny amin ny sitrapony: fividianana fiaramanidina e, fitsangantsanganana atsy sy aroa, volan ny vady aman-janany daholo no laniany amin ireny. Mbola tsy ampy indray izay fa dia ny hany harena dia ny tany navelan'ny razana ihany koa nokasaina hamidy. Tia vola loatra. Hitondra mankaiza anefa ny vola?
Iza no afaka hamaly izany? Hitondra ity ray hankaiza irery izany rehetra izany raha toa ka ny vady aman-janany etsy ankilany sady marary tsy misy mitsabo, noana tsy misakafo, ny zanaka tsy mianatra, tsy mahay, ny fototra rehetra amin ny zon olombelona nohitsakitsahina daholo.
Dia mbola hiaritra ihany ve?
Ny kolotsaina gasy mantsy dia hoe miareta ianao ravehivavy fa io no efa vadinao. Homen'ny an iza tsara eo ianao?
F'angaha tsy azo atao ny fisarahana? Na rahoviana na rahoviana dia ny fisarahana no hany vahaolana rehefa ny zo fototra maha-olombelona no voaitsakitsaka.
2. Mitaky ny demokrasia ny mpanaraka an i Andry TGV: rariny loatra satria rehefa tsy manome vola sy tsy mikarakara ny vady aman-janaka ny ray dia mitaky ny pension alimentaire ny reny. Io pension alimentaire tadiavin'ny reny io dia mandrakotra tanteraka ny vola tokony:
-hividianana sakafo,
-hividianana akanjo,
-hitsaboana raha marary,
-handoavana ny sara-pianaran ny ankizy,
-hatao saran-dalana
-izay rehetra andraikitra tokony nataon ilay ray, tsy mila takiana akory, fa raha nitsinjo ny antsoina hoe AINA izy dia nataony tsotra tam-pitiavana izany.
3. Io AINA-n ny malagasy io no nolalaovin ny filoha ka ny demokrasia takiana dia ilay antsoina hoe pension alimentaire hoy isika
4. Tsy nahazo rariny ary ireo tonga saina (ireo mpanaraka an i TGV), tsy voatery ny fianakaviana iray trano no hahafantatra ny fisian ny Pension alimentaire, dia ny ray mihitsy no ananganany sandry. Ara-drariny tsara izany. Tsy hisy olona na iray aza hanome tsiny ny fisian ny zanaka, na iray fotsiny aza, mitaky ny zony.
5. Ho an ireo mpitolona sy ho an ny vahoaka malagasy, mino aho fa tsy maintsy handresy ianareo satria tsy hisy rariny ho an izay manao tsinontsinona ny vady aman-janany mihitsy eto ambonin ny tany. Rehefa ny reny sy ny zanaka no mihoitra tsy maintsy tafavoaka ny fianakaviana.
Aza adalain ny mpanatsatso amin ny hoe lasa ny mpamatsy vola e, betsaka ny maty e, mpanongam panjakana e, tsy hahita rirany amin ny fikambanambe iraisampirenena eo e, sy ny sisa, (toy ny hoe ianao vehivavy tsy miasa io hanao inona eo?)
moa isika tamin ny taonjato faha 18 sy 19 mbola nifampiraharaha ara-diplomatika tamin ny vazaha akory, moa efa nisy akory izay banky iraisam pirenena tamin izany, nefa isika ankehitriny izao dia taranaky ny olona tamin izany.
Dikany:
1. Aza avela ho an tanan olontokana ny hoavintsika.
2. Aoka isika rehetra no hifehy ny ho avintsika tsirairay avy sy ny firenentsika.
3. Ny harembentsika, tsy manam paharoa eto ambonin ny tany, ireo aleo hofehezintsika tanteraka: ananantsika na ny ati doha hifehy izany, na ny teknolojia hifehezana azy, na ny sandry. Tsy misy tsy ananantsika. Izay tsy haintsika amin izao fotoana izao, avelao ny taranaka any aoriana no hanao azy.
Sa iandrasantsika sinoa sy alema ary amerikana indray koa?
Ary farany, aoka izay fanapahankevitra rehetra mikasika ny firenena manomboka izao alohan ny handalovany ny antenimiera mba hampahafantarina ny vahoaka, ka rehefa ny vady aman janaka no miteny hoe tsia, dia mba aoka hijanona. Fa tsy hoe EFA LANY ny lalana vao mody HANONTANIANA NY VADY AMANJANAKA.
Tsy fananan' ny filohampirenena mihitsy akory ny firenena fa ny malagasy no tompon ny teny farany amin izay hevitra lehibe hitondrana azy. Ny andraikitry ny filoha sy ny governementa dia ny manoritra izay tondrozotra haleha fotsiny fa tsy izy ireo no hivarobarotra fananana any rehefa misy mahamaimay azy any amin izay mahamay azy.
Ny volam bahoaka ihany koa mba TSITSIO fa naharary ange ny vahoaka vao nahazo azy e.
Fa ny irariana dia ny hiverenan ny filaminana, mba tsy ho governemantan ny marimaritra iraisana indray no atao: tsy miaraka mihitsy ny hoe ny iray hivarotra tany 1 million ha, ny iray tsy hivarotra, ===> marimaritra iraisana: mivarotra tany 500 mille ha. Pfff.
Miova fenitra, miova sata, miova andriana. Ny filoha ankehitriny atoka-monina mandra-pahatongan ny repoblika faha-EFTRA.
bonne chance Andry Rajoelina. MISY TANORA VONONA FOANA hijoro rehefa tsy mety miseho (ianao no nanome ny ohatra). Courage fa tohananay ianao